<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Misaora an'i Jehovah FFPM544</title>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Misaora an'i Jehovah,
 Miantsoa ny Anarany ;
 Mitoria ny asany,
 Amin'ny ny olombelona.

[V3]
 Ambarao ny fiantrany,
 Lazao ny famindrampony,
 Fa mahagaga antsika
 Ny fitiavany antsika.

[V4]
 Mpanota tsy naringana,
 Very mana-Mpanavotra,
 Maty ka nomeny aina,
 Ho velona mandrakizay.

[V5]
 Ry Andriamanitray ô !
 Ry Jesosy Mpamonjy ô !
 Ry Fanahy Masina ô !
 Vonjeo ny olona ory.

[V6]
 Fa zohy no itoerana,
 Lava-bato no ierena
 Fa indrafo no ifalian'
 Ny mpivahiny mandala.</lyrics>
<hymn_number>544</hymn_number>
</song>